Efa ho andro maromaro izay no tsy naharaka nanala fako tao Antsiranana tampon-tanŕna ireo fiara mpanary fakon’ny Kaominina. Vokany, manomboka maimbo ny tanŕna ka niala tamin’ny lazany teo aloha.
Noho ny tsy fahampian’ny solika no anton’izany, ka tsy afa-mandeha ireo fiara. Manam-bola ihany ny Kaominina, araka ny fantatra fa ny Trésor no tsy mamoaka ny vola. Ny faran’ny taona teo, dia nangataka 40 tapitrisa ariary ny Kaominina hanatontosana ny asa, saingy 22 tapitrisa ihany no navoakan’ny Trésor. Rehefa natao ny fifanatonana, dia nilaza ny tao amin’ny Trésor, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina fa tsy mbola nanome vola ny Trésor Général avy aty Antananarivo.
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Kaominina ihany àry, dia tsy ny Kaominina no tsy manam-bola, fa ny Trésor no misakana ny tsy fahazoana azy. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy mahazo trosa intsony ny Kaominina, satria efa maro loatra ireo tsy voaloa. Manao antso ny Ben’ny tanànan’Antsiranana I hijerena akaiky io olana io mba hialan’ny fako ao an-tanàna satria dia miaina ao anatin’ny tontolo maloto ny vahoaka amin’izao fotoana izao, ka raha misy olona hanao fihetsiketsehana mikasika ny loto any Antsiranana, dia halefan’ny Kaominina any amin’ny Trésor.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.