Actualités

MALAZA ERANTANY AFRIKA


  • Talata 20 Mey 2014

DJIBOUTI : Nakaton’ny miaramila ny tranon’ny mpanohitra Nanaovan’ny mpitandro ny filaminana bemidina ary nakatona ny tranon’ny antoko mpanohitra ARD (Alliance Républicaine pour le Développement) tany amin’ny Distrikan’i Arhiba ny sabotsy teo. Tsy nisy taratasy avy amin’ny fitsarana nanakatonana ny trano, fa dia noterena hivoaka tao avokoa izay olona mbola tao anaty trano, avy eo nohidiana.

 NIZERIA : Baomba nipoaka namono olona dimy

Nitrangana baomba nipoaka indray tany Kano, tanàna be kristianina, any avaratr’i Nizeria ny alahady teo. Fiara voasesika baomba no napoaka. Tao anaty fiara ilay mpanao vy very aina tamin’io ary maty tao anaty fipoahana niaraka tamina olona dimy hafa.

MALI : Votsotra ireo fonksionera 30 nalaina an-keriny
Navotsotr’ireo mpioko Touareg omaly ireo mpiasam-panjakana 30 nahitana sivily sy polisy Malianina nalain’izy ireo an-keriny tao anatin’ny fifandonana ny sabotsy teo. Nisy 36 no namoy ny ainy vokatr’io fifandonana io.

ARABIE SAOUDITE : Nakatony ny masoivohony ao Tripoli
Nakaton’i Arabie Saoudite omaly ny masoivohony ao Tripoli, Libia. Nandefasany fiaramanidina manokana ireo terataniny niasa tao amin’ny ambasady. Ny tsy fandriampahalemana mirongatra any an-toerana no anton’izao fandraisana fepetra izao.

SOMALIA : Mpanao politika naratran’ny baomba
Mpanao politika indray no naratra mafy nipoahan’ny baomba tao Mogadiscio renivohitra omaly.
Nisy nametraka baomba ny fiarany. Nipoaka tampoka io, ka nandratra azy sy mpandeha an-tongotra iray hafa.

MANERANTANY

COLOMBIE : Ankizy 31 may kila tao anaty bus
Nitrangana loza mahatsiravina tany Colombie ny alahady teo. Nirehitra teny am-pandehanana ny Bus be nitondra ankizy mpianatra. May kila tamin’izany ny 31, nisy 24 hafa may izay nisy olon-dehibe, ary misy miady amin’ny fahafatesana. Maro no tezitra tamin’ity tranga ity.

VIETNAM : Sinoa 4.000 miandry ny fampodiana azy any Chine
Tsy manan-tsafidy afa-tsy ny fampodiana ireo terataniny hiverina any Chine ny Sinoa, noho ny disadisa miseho any Ha Tinh (Vietnam). Efa nisy 3 000 lasa, 4 000 indray omaly no nandefasana sambo anankiroa hitondra azy ireo.

MALEZIA : Hanao ramadany eny amin’ny habakabaka
Nofinofin’ilay teratany malezianina mpanamory sambondanitra sady “mannequin” Muszaphar Shukor ny hanao ramadany eny amin’ny habakabaka, mandritra ny sidina iarahany amin’ilay sambondanitra rosianina “Soyouz TMA-11” mandritra ny folo andro eo.

NEW-YORK : Voarara ny mivarotra sigara ho an’ny latsaky ny 21 taona
Hentitra ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezan’ny fiarahamonina ao an-tanànan’i New-York. Tsy maintsy feno 21 taona na mihoatra izao vao mahazo mividy sigara, raha 18 taona izany teo aloha. Mila mampiseho kara-panondro mihitsy ho fanamarinana, hialana amin’ny fisolokiana.

 

VIAGRA : Hosoloina menaka ahosotra indray
Nahita vahaolana ho an’ireo lehilahy manana olana amin’ny fihenjanan’ny filahiany nefa tsy sahy mihinana Viagra matahotra fiantraikany amin’ny fo, ireo mpikaroka ka karazana menaka fanosotra no hasolo ny Viagra, ary tsy ahiana hiteraka aretina hafa.

FANAFODY : Gélule mihovitra manala tohana
Fahasahiranana ny an’ny olona rehefa mitohana tsy afaka mikaka. Nahita vahaolana izao ny Israelianina, ka namokatra «gélule vibrante», izay mihovitra any anaty tsinay any vao voatelina, ary manokatsokatra izay maneritery any, ka manamora ny fivoahana.

UKRAINE : Niantso ny miaramilany hiverina an-dakazerina Rosia
Niantso ireo miaramilany mitoby amin’ny sisitany okreniana ny filoha Rosianina, Vladimir Poutine omaly, mba hiverina an-dakazerina. Misy 4 000 lahy izy ireo no miatrana amin’ny sisintany okrenianina. Milaza ho tsy mahatsapa ny firoson’ny fanatanterahana izany anefa ny OTAN sy ny Amerikanina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT