Actualités

« Malagasy Mandray Andraikitra » Nahatsiaro manokana an’ireo reny mifonja


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

« Tsy manadino anareo izahay na misy io tamboho be manasaraka antsika io aza », hoy ny filohan’ny fikambanana MMA na Malagasy Mandray Andraikitra ao Toamasina izay saika isan-taona dia misy hatrany ny fiaraha-mifety sy fanoloran’izy ireo fanomezana ireto reny sy vehivavy mifonja eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy.

 

Miisa 79 ireo reny sy vehivavy izay bevohoka ny iray mifonja nomen’ireto tanora ireto fanomezana noho ny fetin’ny reny izao, teo koa ireo zazakely miisa efatra manaraka an-dreniny raha efa afaka noho ny filasalasana azon-dreniny ny zoma teo koa nandritra ny fitsarana ny raharahany ilay zaza kambana niaraka tamin-dreniny tao anatin’ny iray volana teo tao Ambalatavoahangy. Nandritra izao fanolorana fanomezana nataon’ny fikambanana MMA ny alahady misandratr’andro teo izao koa no nanomezan’izy ireo toky fa haloan’izy ireo indray ny famandrihana herintaona amin’ny « canal satellite » misy ao amin’ireo faritra natao ho an’ny reny sy vehivavy mifonja ao Toamasina ireto, noho ny fangatahana nataon’izy ireo noho ity fahitalavitra ity anisan’ny fialamboly sy fanalan’izy ireo ny rarisainany araka ny fanazavan’ireo mpandraharaha ny fonja. Naneho ny faniriany koa nandritra izao famangian’ny MMA azy ireo izao Rtoa Margueritte 70 taona izay zokiben’ireto reny sy vehivavy mifonja ireto fa « aza mba mamaly ratsy amin’ny ratsy izany, valio soa ny ratsy ataon’olona aminao », raha ny fanazavany dia mifonja mandritra ny 15 taona hifarana afaka roa volana ny tenany noho ny fitoriana natao azy ho nanao vono olona tany Vohitsoa Vavatenina. Toraka izany koa Rtoa Jacqueline izay sady efa very vola 26 tapitrisa ariary no voapozina saika maty niditra hopitaly dimy andro, raha nikasa hividy fiara nefa tojo andian’olona « mpamosavy » sy jiolahy ka miandry fitsarana am-ponja miaraka amin’ny vady sy ny anadahiny ankehitriny. Ankoatra izay dia miakatra be ny isan’ny voafonja ao Ambalatavoahangy tato ho ato noho ny fahamaroan’ny mpanao heloka ao Toamasina. Efa 1.236 ny isan’izy ireo ankehitriny ary tafakatra 80 latsaka ny vehivavy, nefa hatramin’izay dia  tsy mihoatra ny 40. Tsy mahazaka afa-tsy manodidina ny 600 ny faritra ho any lehilahy.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT