Actualités

Maizim-pito i Mananara Avaratra Nipoaka ny milina mpamokatra herinaratra


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Miaina delestazy goavana nanomboka ny sabotsy teo ny mponina ao Mananara Avaratra.

  Ny zoma 1 jona nifoha ny sabotsy 2 jona tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany maraina dia nirefotra ny fitaovana mpamokatra herinaratry ny Jirama any an-toerana. Niteraka tahotra ho an’ny mponina ny firedaredan’ny lelan’afo nivoaka avy amin’ity orinasa mpamokatra herinaratra ity. Efa nisy mihitsy ireo fianakaviana manodidina ilay orinasa no namoaka ny entany sao misy fiitarany noho ireto fitaovana ireto mandeha amin’ny solika. Naharitra ny famonoana ny afo. Taorian’ny fahafatesany dia fantatra fa milina mpamokatra herinaratra 3 no may kila forehitra, ny milina iray simba noho ilay fipoahana teo akaikin’ireto nirehitra. Milina telo amin’ny fito mpamokatra ny herinaratra ihany no miasa mamatsy herinaratra ny tanàna manontolo. Hatramin’izay dia milina madinika miisa 7 no miara-mandeha mamatsy ny tanàna nefa miasa tsy misy fijanonany ireto fitaovana ireto raha tsy amin’ny fotoana fikojakojana azy izay tsy misy afa-tsy indray mandeha isan-taona ho fitsinjovana ny mpanjifa sy hialana amin’ny fimenomenon’ny vahoaka. Mila soloina fitaovana goavana iray na roa farafaharatsiny izy ireo noho ny asany sy ny filan’ny mponina herinaratra, hoy ny teknisiana nanontaniana. Miteraka olana matetika ny fampiasana ireo fitaovana madinika tahaka ny misy ao Mananara avaratra ity, toraka izany koa ny ao Vavatenina izay efa manana olana ihany koa ankehitriny. Ankoatra izay, mitaky ny hananganana famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny rano ny mponina any an-toerana taorian’izao fipoahana nitranga tamin’ny milina famokarana herinaratry ny Jirama izao. Manana rian-drano maro afaka mamokatra herinaratra matanjaka hamatsiana an’i Mananara avaratra sy Maroantsetra ary mety ho tonga ao Soanierana Ivongo sy ny Fenoarivo Atsinanana ary ny faritra Sofia mifanila aminy mihitsy, ny vokatra ho azo raha eo ny finiavan’ny Jirama sy ny fanjakana Malagasy. Mbola milamina aloha ny tanàna hatreto na henjana aza ny delestazy iainan’ny mponina, miankina amin’ny fahafainganan’ny fanoloana ireo fitaovana may ny mety ho tohin’ny raharaha.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT