Actualités

Maitso ahitra Hanafatra vary 40 000 taonina ny fanjakana


  • Talata 04 Janoary 2011

Vary nafarana avy any ivelany milanja 15 000 taonina no ho avy eto Madagasikara amin’ity volana janoary ity, araka ny nambaran’i Herimanana Razafimahefa, mpikambana ao amin’ny CST sady filohan’ny vaomieran’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ao amin’ity andrim-panjakana ity, izany no natao moa dia mba tsy hampidangana be ny vidin’ny vary eny an-tsena sy ho famenoana ny banga amin’ny vokatra eto an-toerana.

Marina fa azo nambara hoe tsara ny vokatra tamin’ny taom-pambolena farany teo saingy tsy mbola ampy ho an’ny Malagasy tanteraka izany, ka izay no tsy maintsy mbola nanafarana vary avy any ivelany. Tany amin’ny faran’ny volana novambra tamin’ny herintaona moa no nanomboka niakatra, efa ho isan’andro mihitsy ny vidim-bary, ka raha ohatra ka 1150 Ar ny iray kilao tamin’izany fotoana dia efa tafiakatra 1400 Ar izany ankehitriny. Aorian’io dia mbola hisy 25 000 taonina hafa, nafarana avy any ivelany ihany atao fiandry sy fanampiana raha sanatria misy ny loza voajanahary, tahaka ny rivodoza ohatra. Nanambara ihany koa i Herimanana Razafimahefa fa hatsangana tsy ho ela ny «Plateforme du riz» hanara-maso ny vidin’ny vary sy ny fivezivezeny manerana an’i Madagasikara, satria matetika dia maro ireo mpanangom-bokatra sy mpambongady no manararaotra, manafina vary, dia avy eo mamoaka izany ka mivarotra amin’ny vidiny ambony dia ambony. Raha atao izany ny kajy dia hanafatra vary hatramin’ny 40 000 taonina eo ho eo ato anatin’ny telo volana voalohany amin’ity taona ity i Madagasikara ho fiatrehana ny maitso ahitra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT