Taorian’ny 18 jolay teo dia nampanantsoina fanindroany teny amin’ny biraon’ny holafitry ny mpisolovava etsy Anosy indray omaly alakamisy 2 aogositra ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala.
Hitondra fanazavana mikasika ny fitarainana voaray momba azy teo anivon’ity rafitra ity moa no antony. Araka ny fanazavany, miisa 4 ny fitarainana. Ny 3 amin’ireo dia avy amin’ny mpifanandrina tamin’ny olona narovany avokoa ary mikasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy kosa ny faha-4 izay avy amin’ny filohan’ny holafitra, ny Batonnier Hubert Raharison, raha ny nambarany. Nahita ireo 3 voalohany aho dia nihomehy satria lojika raha arovako ny mpanjifako. Mikasika ny tsy fifanarahana tao amin’ny hotely La résidence Ankerana ny raharaha voalohany. Ny faharoa mikasika ny raharaha Air Mad. Ny fahatelo dia resaka mpisolovava tsy nanaja olona ary ny fahahefatra ilay raharaha Claudine Razaimamonjy. Tsy olana ny niarovan’ny filohan’ny holafitra ny mpandraharaha Razaimamonjy fa ny olana dia nataony tamin’ny anaran’ny holafitra ilay izy kanefa tsy nisy fifampierana tamin’ireo mpisolovava mpikambana akory.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.