Na “conseil de discipline” na “ commission de discipline”, izay hiantsoana azy, hoy ny mpisolovava, Willy Razafinjatovo na Olala dia tokony hisy fampahafantarana ny antony iantsoana izay hampanantsoina foana,
raha namaly ny valim-panontanian’ny filohan’ny holafitry ny mpisolovava izay nampiantso azy, ny Batonier Hubert Raharison omaly. Raha polisy na zandary, hoy izy, no nanao fampiantsoana tahaka ireny dia azo noleferina ihany fa raha mpahay lalàna kosa dia amiko efa tsy fahaizana ny asany mihitsy. Ny alatsinainy teo, hoy izy, vao voaraiko ny dosie mikasika ny antony niantsoana ahy nefa tamin’ny alarobia aho no nantsoina. Tamin’ny alarobia dia tsy nifanatrika tamiko akory ny nanasonia ny fampiantsoana ka miantso aho ankehitriny, hoy izy, aoka mba hifanatrika amiko amin’izay ny filohan’ny holafitra, ny Batonnier, Hubert Raharison. Mikasika ireo mpizadraharaha 2 lahy nandalo tamiko, hoy izy, dia nahagaga ahy hoe naninona ary ilay 1 no nilaza fa tsy nandray saram-pizadraharaha taty amiko. Ny fahitako azy, hoy izy, dia tratry ny fampihorohoroana io mpianatra io satria raha tsy nametra-pialana tamin’ny maha mpizadraharaha tato amiko izy tsy navela hivoaka tamin’ny fianarany. Io filohan’ny holafitra io, hoy izy, averiko ihany fa HVM hiringiriny ary antony mbola hamerenako fa ny fitondrana ankehitriny dia sady ratsy tarehy no ratsy fanahy fa ampiako koa hoe maimbo be, hoy hatrany ity mpisolovava ity.
J. Mirija
Legend: Ny mpisolovava Willy Razafinjatovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.