Tsy mbola nisy nampiakatra Codis ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala, hoy ny filohan’ny olafitry ny mpisolovava eto Madagasikara, ny Batonnier Hubert Raharison.
Fampanantsoina hanaovana fanadihadiana tsotra no niantsoana azy, hoy ity filohan’ny holafitra ity, omaly tetsy amin’ny biraony etsy Anosy fa tsy fampiakarana filankevi-pitsipika na Codis. Nomen’ny lalàna fahafahana manitsy na mandray fepetra mikasika ny mpikambana ao aminy ny holafitra raha misy fahadisoan’ny mpikambana eo am-panatanterahana ny asany na koa fandikana fitsipika anatiny. Voalaza ao amin’ny lalàna laharana 2001-006 ny 9 aprily 2003 izany ary ao anaty fitsipika anatin’ny « Bareau de Madagascar ». Niisa 20 ireo nampanantsoina rehefa avy nandraisana fitarainana maro tamina olon-tsotra sy mpisolovava namana. Mikasika ilay hoe nampanantsoina izy taloha dia antony, hoy ity filoha ity, ny fisiana mpizadraharaha 2 nandalo tao aminy. Ny 1 nilaza fa nomena saram-pizahadraharaha na « indemnité de stage » ny 1 kosa nifanohitra amin’izay. Fepetra noraisina tamin’izay dia tsy navela nandray mpizahadraharaha intsony ity mpisolovava ity. Efa any amin’ny Maitre Willy Razafinjatovo, hoy ny fanazavana, ny dika mitovin’ireo fitarainana mikasika azy ary na ny fampiantsoana azy amin’ny 2 aogositra aza dia mbola tsy Codis fa fandraisana ny fanazavany mikasika ireo fitarainana voaray momba azy. Sazy mety hahazo ireo mpisolovava tsy manaja izay etika sy deontolojia izay moa dia fampitandremana izay mety hiafara amin’ny fanalana amin’ny asa maha mpisolovava. Mbola ny filankevitry ny holafitra miisa 15 koa anefa no manapaka izany fa tsy ny Batonnier irery, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.