Actualités

Maitre Olala Vonona hifampitady amin’ny holafitry ny mpisolovava


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Nampanantsoin’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara teny Anosy omaly ny mpisolovava Willy Razafinjatovo fantatry ny rehetra amin’ny hoe Olala.

 

Nampiatso mpanao gazety teny amin’ny fonenany etsy Ankadifotsy moa ny tenany taorian’izay ary nanazava fa tsy nety afaka namaly ny antson’ny holafitra izy satria tsy nampahafantarina azy ny anton’ilay fiantsoana. Raha tena mpisolovava marina, hoy izy, ny nanao ity fampiantsoana ity dia tokony ho nampahafantatra ny antony satria manana ny antsoina hoe « Droit de défense » ny mpisolovava. Efa toy izao koa no nanaovan-dry zareo ahy tamin’ny aogositra 2017 saingy rehefa nitaky izay zoko hamantatra ny anton’ny fampiantsoana izay aho dia tsy niantso ahy intsony fa izao indray vao namerina. Ilay nampiantso fantatro fa HVM, ary mety hirahana hampangina ahy saingy tsy ho azony amin’izany aho fa tsy maintsy miteny raha mbola misy tsy rariny mitranga. Amin’ny 2 aogositra indray mifankahita, hoy ny Me Olala, hentitra dia hentitra.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT