Actualités

Maintirano Mpandraharaha manampatra fahefana


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010

Mpandraharaha ratsy fiaraha-monina tany Analanjirofo tany no mitady hanampatra fahefahana any Melaky indray ankehitriny. Mitondra mpitandro ny filaminana mihitsy izy hanehoany izay.

Resaka vato no nipoiran’ny raharaha tamin’ity indray mitoraka ity. Manankarena amin’ny vato sarobidy rahateo iny Faritra iny, saingy tao Belitsaky ity tranga ity. Mahazatra ireo mpitrandraka madinika any an-toerana ny mitondra avy hatrany ny vokany any Mahajanga mba hamidy. Tany izy ireo no nifanehatra tamin’ity mpandraharaha gasy ity. Nenjehin’ity farany ho niditra tamin’ny tany anaovany fitrandrahana ny vaton’ireto mpitrandraka ireto. Niantso mpitandro ny filaminana izy ary dia nogiazany avy hatrany ny entan’ireo tantsaha ireo. Tsy vita teo ny raharaha fa nidina tany Maintirano, nanao be fiavy niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana avy any Mahajanga izy. Misy mpitandro filaminana anefa ao Maintirano. Teo dia efa nampieriteritra ny ho fandehan’ny raharaha. Rehefa izay dia notanan’izy ireo nanaovana fanadihadiana ny Ben’ny tanànan’i Belitsaky, niaraka tamina mpitatitra sy tantsaha vitsivitsy. Nalady niely tao an-tanànan’i Maintirano ny fisian’izany. Tsy nanaiky mora ny mponina ary efa nisy niroso tamin’ny sakan-dalana satria nandeha ny feo fa hoentin’iretsy any Mahajanga ireto olona voatana ireto. Nanomboka nisendaotra ny tao Maintirano. Ny niafarany dia vaky bao niala tao ilay mpandraharaha sy ny mpitandro ny filaminana nentiny. Fantatra koa taty aorian’ny nialan’izy ireo fa tsy mitombina ny taratasin’izy ireo. Manao antso ny mponina any amin’iny Faritra Melaky mba hijeren’izay tompon’andraikitra vahaolana fa dia mahazo vahana loatra ny fanararaotam-pahefana, ka mampiraviravy tanana ny tantsaha.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT