Tovovavy 21 taona vontom-pinoana mivavaka amina fiangonana zandriny iray ao Toliara no
namono tena nitelina poizim-boalavo.
Maty izy ary efa voalevina. Nametraka hafatra an-
taratasy ho an’ny fianakaviany izy, ka nandritra ny fotoana niaretan-tory azy no nahitana io
hafatra io tao anaty baiboliny. «Aza mitomany na malahelo ahy ianareo, fa efa hihaona amin’ny Tompo aho. Tsy tiako ny fijaliana ety an-tany ka aleoko hitady fiadanana any an-danitra. Mijaly sy mahantra ianareo dia any aho mijery sy hanampy anareo».
Ampahany tamin’ny taratasy nosoratany io, raha ny fanazavana azo. Tsy mba miala voly tahaka ny tovovavy nitovy taona aminy ity sekta vontom-pinoana ity. Famakiana baiboly sy fandinihana ny Soratra Masina no nandaniany ny androny, nefa nanaitra ny maro ary tsy nampoizin’ny mpiara-mivavaka aminy ny famonoan-tena tampoka nataony, raha ny fanazavana hatrany. Tsilian-tsofina no nandrenesana fa diso fanantenana tamina tovolahy iray tiany izy, nefa ity farany tsy rototra taminy mihitsy fa nisakaiza tamina tovovavy hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.