Noraisin’ny Faritra Boeny an-tanana, nampian’ireo malalatanana ny fanalana ireo fako nivangongo ao Mahajanga tampon-tanàna nanomboka ny zoma 09 mey teo, na dia anjaran’ny Kaominina aza izany.
Voakasik’izany ireo fako niavosa tao amin’ny tsenan’i Marolaka izay mahatratra 4m ny haavony ary miparitaka hatrany amin’ny 50m ny halavany. Mifangaro ny entana vao tonga hamidy ao an-tsena sy ny fako, araka ny fitarainan’ireo mpiantsena.
Miha madio tsikelikely ny tanàna fa haharitra mandra-pahoviana izay ?
Mitaraina ihany koa ireo fiara mpitatitra entana satria takiana, hoy izy ireo ny hetra “droit d’arrivage” alohan’ny hidirana ny tanànan’i Mahajnga ary giazana ny entana na ny taratasin’ny fiara ho an’ireo izay tsy mahafeno na tsy mahaloa ny vola takiana. Ny zava-misy anefa, hoy ihany izy ireo, raha vao eo Bazarikely sy eo amin’ny Bazarin’i Sotema fotsiny, mifanila indrindra amin’ny CSB dia ny loto sy ny fako mitomandavana no vantanin’izy ireo. Nitaraina ihany koa ny mpivarotra teny amin’ny Bazary Tsaramandroso satria ny fako teny dia nanakatona fivarotana roa be izao, ary mpivarotra “prêt-à-porter” iray dia an-dalam-pikatonana ihany koa, hoy izy ireo. Lasa fanariam-pako teo anoloan’ny Lycée Philibert Tsiranana toeram-pianarana malaza namoaka olomanga maro ity. Efa miha madio tsikelikely indray ny tanàna hatramin’ny omaly, fa haharitra mandra-pahoviana izay ?
Hitohy ve sa mandalo ihany ny fanadiovana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.