Actualités

Mahajanga Olona roa matin’ny “ve-tsin”


  • Talata 03 Jona 2014

Dimy no narary mafy ny alahady 01 jona lasa teo noho ny fihinana vokatra simika, miendrika sira nefa toa “ve-tsin”. Roa tamin’izy ireo no tsy tŕna ny ainy tao Mangatokana, Fokontany Antanimalandy, Kaomina Mahajanga.

 Fasam-bahoaka, toby fanariam-pakon’ny Kaominina sy fanarian’ireo orinasa mpikirakira drakaka ny vokatr’izy ireo simba, no tena ahafantarana ny tanànan’i Mangatokana. Hita ao isan’andro koa ireo fianakaviana sahirana, mikirakira fako ikarohan’izy ireo zavatra azo hanina na azo avadika ho vola. Anisan’ireo ity raim-pianakaviana iray, nitsipona fatina drakaka hataony sakafon’ny kisoa hono, ary nitsipona ihany koa vovo-javatra fotsy miendrika vovon-tsira anaty plastika, nisy nanary teny.

Maty ilay raim-pianakaviana raha voa tonga tao amin’ny hopitaly, ary ny zanany lahy 7 taona dia teny an-dàlana no namoy ny ainy

Nampiasain’ilay rangahy avy hatrany tamin’ny sakafo harivan’io alahady io ihany ity noheveriny ho sira hanamamiana ny ananambo sy patsa fotsy nataon’izy ireo laoka. Taorian’ny fihinan’izy ireo izany laoka izany anefa dia nandoa sy nalemilemy avy hatrany ny iray trano, afa-tsy ny renim-pianakaviana, izay variana nanasa lamba ka tsy mbola nihinana. Dimy mianaka no naiditra ao amin’ny hopitaliben’Androva ny alin’io rehefa nialana nenina nampandoavina.

 Araka ny vaovao nomen’ny lehiben’ny hopitaly, dia maty ilay raim-pianakaviana raha voa tonga tany, ary ny zanany lahy 7 taona dia teny an-dàlana no namoy ny ainy. Ireo marary telo mianadahy sisa, izay samy zanak’ilay fianakaviana, dia mbola tsaboina ka ny roa ao amin’ny fitsaboana zaza, ny iray, 15 taona ao amin’ny sampana vonjy aina, hoy ny mpitsabo. Na misy milaza ho “ve-tsin” nisy poizina aza ilay vokatra simika miendrika vovon-tsira ity, dia milaza ny mbola hanadihady eny amin’ilay toerana nitsiponan’ilay raim-pianakaviana azy ny avy amin’ny Bureau Municipal d’Hygiène (BMH) ao Mahajanga, hamantarana azy indrindra fa ny mahakasika ireo drakaka simba ariana ao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT