Nitokona teny amin’ny «Bord de la mer» ireo mpitondra Bajaj rehetra tao Mahajanga ny talata maraina teo. Ny fampitombona ny ora fiasana sy ny fanavoazana ny «cahier des charges» no isan’ny takian’ireo mpitondra Bajaj ireo.
Raha ny fantatra mantsy dia amin’ny valo ora alina no ora farany hiasan’izy ireo raha manomboka amin’ny dimy ora maraina ny fiaingana. Tsy azon’ireo mpamily Bajaj ireo atao ihany koa ny manatitra mpandeha eny amin’ny faritra Amborovy sy Sotema iny isany voarakitra ao anatin’io «cahier des charges» tamin’ny taon-dasa. Nangataka amin'ny folo ora alina izy ireo no farany fiasany satria efa maro loatra izy ireo no miasa amin'izao fotoana izao. Nandritra io fitokonana fanaraina io dia nilaza izy ireo fa raha tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra raisan’ireo tompon’andraikitra dia hampidina ny sarandalana 500 Ariary be izao izy ireo. Voalaza ihany koa fa mahatsiaro ho voafehy izy ireo manolana ny mpitondra posy ny fiarakaretsaka ao Mahajnaga amin'ny ora fiasana ka izay no anton’ny fitokonana fanairana ataon'izy ireo izao. Mahatratra efajato mahery izao ireo Bajaj miasa ao Mahajanga tampon-tanàna, maro anefa ireo tsy manara-dalana. Etsy andaniny dia milaza ny hanangana sendika izy ireo izay afaka mitondra ny fitakiana ataon’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.