Tamin’ny fito ora maraina dia efa feno an’ireo mpitondra bajaj ny teo anoloan’ny lapan’ny tanana hikasa ny hidina an-dalambe. Nohon’ny fitakiana ny fanavoezana ny bokin’ny andraikitra vaovao no antony io fidinana an-dalambe io satria dia mahatsiaro ho voafehy izy ireo ny amin’ny tsy fahafahana mivezivezy ny tanana eo koa ny fitakiana ireo bajaj 25 izay nampidirana
« fourière » ny alatsiniainy teo. Raha ny fanazavan’ireo mpitondra bajaj dia efa nandoa ny lamandy teny amin’ny kaomina ireo tompon’ny fiara kanefa tsy mbola afaka nivoaka hatrany sy nandray ny asany ireo bajaj. Voarakitra ao anatin’ny lalan’ny fifamoivozana anefa fa tsy maintsy mandoa lamandy ireo fiara nogihazana ary mamita ny saziny ao anatin’ny 3 ka hatramin’ny 10 andro izay tratra na dia efa nandoa ny lamandy aza. Tsy nanaiky an’io ireo mpitondra bajaj ka dia raikitra ny fidinana an-dalambe ka namakivaky ny tanan’i Mahajanga ary nijanona teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Nilaza ny avy eo anivon’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa efa nisy ny fandraisana an-tanana io olana ny bajaj io tao Mahajanga niaraka tamin’ny filohan’ny fitsarana misahana amin’ny ady amin’ny fanjakana ka tsy mbola nisy ny hevitra tapaka nivoaka. Androany alakamisy dia hisy ny fihaonana hiarana amin’ireo mpitondra bajaj sy ny tompon’andraikitra ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ary ny kaomina sy ny fitsrana mikasaika ity olana ity satria dia milaza ny tsy hanajanona ny fitokonana izy ireo raha tsy misy ny vahaolana maharitra raisin’ny fanjakana. Mandritran’ny io fotoana io anefa dia hihena ireo bajaj miasa ao an-tampon-tanana mandra-pisian’ny marimaritr’irasaina aoriana ny fivoriana io sy ny hivoahan’ny hevitra tapaka mikasika ny olana ny bajaj. Ho hita eo ny tohiny ny tantara !
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.