Miparitaka izaitsizy ny fako ao Mahajanga, indrindra amin’ireo tsena lehibe misy toy ny ao an-tsenan’i Tsaramandroso, Marolaka ary Mahabibo. Noho io indrindra dia tandindomin-doza ny fahasalaman’ny vahoaka ao Mahajanga. Miezaka manadio ny tandrifiny azy ihany ireo mponina isam-pokontany fa ny mpaka fako eo anivon’ny Kaominina mihitsy no tsy tonga maka izany amin’ny toerana efa natokana hanariana fako. Raha izao no mitohy dia tsy mipetraka amin’ny toerany intsony ny maha tanànan’ny voninkazo an’i Mahajanga fa toa lasa tanànan’ny fako indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.