Actualités

Mahajanga Ho ambohipihaonan’ireo Ampanjaka eto Madagasikara


  • Alakamisy 17 Aprily 2014

Taorian’i Nosy-Be Hell Ville dia i Mahajanga indray no hampiantrano ny fihaonambem-pirenen’ny Fikambanamben’ireo faritra misy ampanjaka eto Madagasikara ny 28 hatramin’ny 30 Aprily ho avy izao.

 Ho votoatin’ny fihaonambe ny atrikasa miompana amin’ny fampiofanana sy fanamafisana traikefa amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny adolantsento, ny fisorohana ny vohoka aloha loatra ary fampihenana ny tahan’ny fahafatesan’ny reny eo am-piterahana, ankoatra ny hetsika ara-kolontsaina. Mpandray anjara150 eo no andrasana hahitana ireo Mpitarika ara-pomba sy Lehibe ara-drazana ary ireo solontenan’ny Foko 18 eto Madagasikara araka ny nambaran’ny Filoha nasionalin’ny Fikambanambe, ny Ampanjaka Zoendreniny Elakovelo nandritra ny fivoriana fanomanana ny 15 aprily lasa teo tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga.

Hampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fihaonambe ihany koa ny adihevitra momba ny toe-draharahan’ny oniversiten’i Mahajanga sy ny fitantanana ny Doanin’i Andriamisara efa-dahy. Hisy, ankoatra izay, ny fihaonan’ny Fikambanambe amin’ny FFKM Mahajanga sy ny Lehiben’ ny finoana Silamo ao an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT