Actualités

"Magro" : Hijanona an-kianja sa hitsangantsangana ?


  • Zoma 14 Janoary 2011

Fandaharam-potoana roa samy hafa no miandry ireo mpitolona miara-dia amin’ny Ankolafy Telo ny sabotsy 15 janoary ho avy izao.

Ao ny KMFB izay miantso ny amin’ny tokony hampitomboana avo telo heny ny isan’ireo mpitolona eny an-kianja amin’io andro io, hanehoana amin’ireo vahiny avy amin’ny GIC fa mbola misy ny tolona sy ny fihetseham-bahoaka hatramin’izao. Ankilany kosa anefa dia eo koa ny fitsangantsanganana fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona karakarain’ny antoko Tiako I Madagasikara eny Ambatomirahavavy PK22. Niteraka sahoan-dresaka teny an-kianja tokoa moa ity fandaharam-potoana ity. Betsaka, araka izany, ireo fanontaniana tsy nahitam-baliny raha mitady te handeha hitokana tokoa ny antokon’ny filoha Ravalomanana. Efa nisy ny elatra Raharinaivo, izao koa misy ny dinika handraisan’ny ampahany TIM eny amin’ny Le Hintsy ary di

a izao indray misy ity fitsangantsanganana ity. Mahavaka ny saina tokoa raha laharam-pahamehana amin’izao krizy tsy mety voavaha izao ny karazana korana toy ny fitsangantsanganana. Nanao karazana antso avo moa ny solontenan’ny tanora avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Manoela, fa tsy tokony ho sodoka amin’ireo be palitao sy kravaty ny filoha fa mila mijery tsara ireo tena mitolona. Toa maneho koa izao tranga izao fa misy ny disadisa eo amin’ireo mpitarika ny tolona satria toa tadiavina ho sarahina ireo mpanara-dia. Dia amin’ny sabotsy mifankahita e !

Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT