Actualités

Magro Behoririka Nahomby ny hetsika tolo-tanana ho an’ireo gadra politika


  • Alatsinainy 26 Mey 2014


 Navitrika sy tonga nameno ny Kianjan’ny Magro Behoririka ny mpiara-mitolona rehetra nitaky ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy famoahana ireo gadra politika mbola any am-ponja ary ny famohana ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana tetezamita tamin’ny sabotsy teo. Ankoatra ny fiarahabana an’ireo reny rehetra nahatratra ny fetin’ny reny 2014 dia niavaka ny hetsika tolo-tanana nanangonana ny tsirambin’ny tanana ho an’ireo gadra politika. Tena tratra ny tanjona, hoy ireo mpitari-tolona mpikarakara fa nihoatra noho ny niheverana azy ny voangona ary mbola miandry koa ny halefan’ireo malala-tanana tsy tonga teny an-kianja. Miandry ny fahazoan-dalana hamangy eny Tsiafahy no hanolorana ireo tsirambin’ny tanana ireo ho an’ireo gadra politika mbola any am-ponja.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT