Actualités

Magro Behoririka Hiombom-bavaka eny Ambatomena anio


  • Zoma 24 Desambra 2010


«Ho sahirana ianareo FAT amin’io taona ho avy io», hoy i Manoela, solontenan’ny tanora tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana, Magro Behoririka omaly. «Raha tsy hihetsika Antananarivo manoloana ny vidim-piainana dia ny avy any amin’ny faritra no hiakatra eto an-drenivohitra”, hoy ihany izy. Hiverina amin-dRajoelina ny zavatra nataony, hoy ihany izy manoloana izao fampahoriana ny Malagasy izao. Tetsy andanin’izany dia samy nanamafy ireo rehetra nandray fitenenana omaly fa tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena raha tsy misy ny tenierana. Tsy maintsy hirosoana araka izany ny dinika an-databatra boribory. Ho azy ireo dia ny fifidianana filoham-pirenena no tokony hirosoana mialoha ny zavatra rehetra aorian’ny dinika. Nohamifisin’ireo mpitari-tolona ihany koa fa mandry tsy lavo loha ny vahoaka ankehitriny satria mirongatra ny tsy fandriampahalemana, tsy milamina ny tany. Ary tsy olon-tsotra intsony no mandroba ireo harem-pirenena fa manampahefana sy mpitandro filaminana (sasany). Rehefa tsy manaiky halamina sy mifandamina isika, na ny sivily na ny tafika, hoy ireto mpitari-tolona dia aleo hidiran’ny sehatra iraisam-pirenena an-tsehatra. Fantatra fa amin’ity anio ity dia hisy fotoam-bavaka hitrotroana am-bavaka ny firenena hatao etsy amin’ny Fjkm Ambatomena. 

Nangonin’i Soa   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT