Actualités

Magro Behoririka Avelao hiaina malalaka i Dada


  • Alarobia 18 Febroary 2015

Hiditra amin’ny fampihavanana any amin’ireo disitrika isika, hoy Rasoamalala Odette Brenda tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, ka hanao fiofanana aloha mialohan’izany. Noho izany dia ampidiro ao anatin’izany ny fahafahan’ny olona iray satria efa mahantra ny vahoaka malagasy, hoy izy

 

 

, aoka izay ny fanagejana ny olona. Manana ny maha azy i Dada ka nahoana no sakatsakanana ; nisy namotika ny firenena teto kanefa afaka  miriaria mandeha manerana ny Nosy sy mivoaka any ivelany aza. Noho izany dia mangataka izahay ny hamoahana malalaka an’i Dada alohan’ny handehanan’ireo solontena any amin’ny faritra hanao  ny fampihavanana. Tohananay ny FFKM hoy Rangodonarison Guy Roger teo alohan’izay, amin’ny fitarihana ny fampihavanana ataon’izy reo. Ny fampihavanana dia fifamelana tsy hiresahana intsony ny lasa, hoy izy,  fa hijerena ny Malagasy hivoahana amin’ny fahasahiranana kosa. Raha mbola io tsy famelana ny filoha Ravalomanana hivoaka ny trano sy haneho hevitra malalaka io no mitranga dia tsy misy dikany ny fifamelana. Mila mivalo eo anoloan’Andriamanitra isika. Izany Ravalomanana izany dia manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena anio, rahampitso ary rahatrizay... Fantatray ny vahoaka malagasy fa fandotoana azy no atao amin’izao fotoana izao. Miangavy ny mpitondra avelao halalaka ny filoha Ravalolamanana, hoy ny antso teny amin’ny Magro omaly.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT