Actualités

Magro Ankorondrano Misy mitaona tsikelikely ny vy ao anatiny


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Toerana voatokana (Propriété privé) tsy azo idirana ny etsy amin’ny Magro Ankorondrano hatramin’ny nitondran’ny tompon-tany, dia ny Antenimieran’ny Varotra Antananarivo, manampahefana ny fanidiana azy tamin’ny taon-dasa.

Nosoloina biriky mihitsy moa taty aoriana ny vavahady roa miditra amin’izany toerana izany. Gaga anefa izay mandalo eny amin’iny toerana iny ka sendra mandeha an-tongotra fa maheno paipaikan-javatra avy ao anatin’ireo trano roa lehibe misy ao amin’ity toerana ity dia ny ao amin’ny Magro sy ny ao amin’ny Auditorium izany. Rehefa nandrasana fotoana fohy dia nahatazanana andiana tanora sy zaza tsy ampy taona nivoaka avy ao nivimbina sy nilanja an-tsoroka tapatapa-by samihafa ary mivoaka avy amin’ilay vavahady atsimo izay noravana ny tamboho biriky nasolo azy.

Tena mitaona tsikelikely ny vy ao amin’ity toerana ity izy ireo, tena manao anton’asa mandrava ireo toerana roa ravan’ny afo tamin’ny 26 janoary 2009 ka tsy mahagaga raha lasa babangoana be sy mangadihady lasa mazava be ny ao anatin’ny trano. Tamin’ny fotoana nialan’ireo mpitolona avy amin’ny Ankolafy Telo teny an-toerana anefa dia mbola maizimaizina be tao anatin’ireo trano ireo raha tazanina avy ety ivelany. Azo antoka aloha fa tsy avy amin’ny Ankolafy Telo ireo mpandrava efa ireo satria efa tsy nahazo niditra tao ry zareo fa donainan’ny «lacrymogène» raha vao nanao izany. Tsy azo inoana koa anefa ny fanirahan’ny Antenimieran’ny Varotra tompon-toerana azy ireo satria ny tany ihany no azy ireo fa ny zavatra ao anatiny dia an’ny fianakaviana Marc Ravalomanana. Ny hany fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao dia ny hoe : rehefa misy ny fanakatonana toerana tahaka itony araka ny lalàna, andraikitr’iza no miambina io toerana io ? 

Manohy
 
sary : Magro Ankorondrano ankehitriny 2011

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT