Notafihin’ny jiolahy mirongo basy ny tranombarotra Karana iray ao Morafeno Toamasina omaly talata tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.
Dimy lahy ireo nanafika, ka ny roa niandry tety ivelany niaraka tamin’ny moto scooter telo, ny telolahy kosa niditra tao anaty magazay naka ny vola iray sakosy saika haterina amin’ny banky sy nitifitra ilay Karana tompon’ny tranombarotra izay mbola miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly, noho ny bala niditra ny kibony, araka ny fanazavan’ny mpitsabo azy. Fanintelony amin’izao ity tranombarotra ity no nisy nanafika hatramin’ny desambra 2013 no ho mankaty. Ny tena nanaitra ny olona dia ny fisian’ireto polisy roa lahy teo am-pitan’ilay tranombarotra nisy nanafika, misava izay moto mandalo, nefa tsy nihetsika sy tsy taitra akory, araka ny fanazavana azo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.