Actualités

“Madagasikara mandroso no tanjona iombonana” Fitaka be vava io , hoy i James Ratsima


  • Alarobia 10 Aogositra 2016

Saika re manakoako amin’ny haino aman-jery hatrany tato ho ato ilay teny filamatry ny mpitondra ankehitriny manao hoe :

 

 “Madagasikara mandroso no tanjona iombonana!”. Fitaka be vava ho an’ny vahoaka Malagasy io teny filamatra io ho an’ny fikambanana Asandratro ny fireneko, tarihin’ny profesora James Ratsima. Raha i Madagasikara fotsiny fa tsy ny Malagasy rehetra  no hampandrosoana dia azo hampandrosoana tokoa  amin’ ny  alalan’ny orinasan’ny vahiny sy ny teknolojia entina hampivoarana azy  amin’ny fijery ivelany fotsiny.  Ny mponina ao aminy kosa anefa dia mahantra sady mpiasam-bahiny ao amin’ny taniny. Midika izany fa tsy misy intsony ilay fiandrianam-pirenena sy ny fanajana ny zon’ny olom-pirenena Malagasy.  Matoa ny firenena iray hampandrosoana dia ireo mponina ao aminy no mila migoka voalohany ny tombontsoa ao.  Izay no tadiavin’ny mpitondra amin’izao fotoana  hatao  eto amin’ny tanintsika dia ny hanomezana ny sehatra rehetra ho eo am-pelatanan’ny vahiny hahazoana manandevo ny Malagasy eto amin’ny taniny dia lazaina fa mandroso i Madagasikara. Ny tena  ilaina anefa dia ny Malagasy afaka sy mivoatra afaka mampandroso an’i Madagasikara. Ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara dia tokony ho asan’ny olom-pirenena Malagasy rehetra hivelarany ara-tsaina sy amin’ny maha olona azy fa tsy asa hataon’ny vahiny hanambaniana azy sy hamonoana ny tompon-tany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT