Nanjavona ny 60 tapitrisa sy ilay mpitambola
Sahiran-tsaina ny “proviseur”-n’ny Lycée Jacques Rabemananjara Toamasina ankehitriny, fa nanjavona ny vola 60 tapitrisa Ariary natokana ho an’ny karaman’ny mpampianatra FRAM. Tsy hita niaraka tamin’izany koa ny mpitambola. Nametraka fitoriana ny LJR ka eo am-pikarohana ilay mpitambola ny mpitandro ny filaminana. Re koa anefa izao fa nametraka fitarainana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ny fianakavian’ilay mpitambola noho ny tsy fahitana ny havany.
Araka ny angom-baovao dia efa tamin’ny volana janoary 2014 nisian’ny fiovan’ny mpitantana ka nanaovana “audit” natao teo anivon’ny LJR, no efa tsikaritra io fahaverezam-bola io. Tamin’izay no re fa efa nanaiky ny handoa isam-bolana ilay mpitambola, nefa tamin’ny fotoana nomeny tokony handoavana ny ampaham-bola voalohany, no izao izy nanjavona tsy hita popoka ifampitadiavana izao. Na eo aza anefa ny olana dia mizotra ihany hatreto ny fampianarana. Mpampianatra FRAM avokoa anefa ny 60%-n’ny mpampianatra eo anivon’ny Lycée Jacques Rabemananjara Toamasina, izay amoahan’ny lycée 10 tapitrisa Ariary isam-bolana eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.