Nahazo ny anjara «tablettes» miisa 50 avy amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena nanomboka ny alakamisy lasa teo ireo mpampianatra sy mpianatra ao amin’ny lycée Ambohimanarina.
Zava-dehibe hoan’ireo mpianatra tokoa ny fahafahan’izy ireo mampitombo fahalalana sy mikirakira hairaha avo lenta tahaka izao ka isaorana ny fanjakana, hoy ny proviseur Rakotondrabe Martin. Tsy maintsy hisy kosa anefa ny fifandaminana amin’ny fampiasana ireo fitaovana raitra ireo, araka ny fanampim-panazavany. Anisan’ny nangatahan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rasoanoromalala Marie Horace tamin’ny minisitra mpiahy Rabary Paul tamin’io fotoana io moa ny fijerena vahaolana amin’ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana. Raha tokony ho 45 mantsy ny mpiray lakilasy dia maherin’ny 50 ireo mpianatra ao anatin’ny efitrano iray ankehitriny. Fangatahana iray hafa avy amin-dramatoa depiote nahazo valinteny avy hatrany kosa ny famatsiana boky fianarana toy ny fiteny vahiny frantsay sy anglisy. Ny alatsinainy izao ihany moa dia efa afaka misitraka izany ny sekoly, araka ny fampanantenan’ny teo anivon’ny ministera. Ahitana mpianatra 1.118, mpampianatra sy mpandraharaha 68 ao amin’ny Lycée Ambohimanarina.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Depiote Rasoanoromalala Marie Horace sy ampahan’ireo mpianatra teny Ambohimanarina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.