Olona 4 no indray maty tetsy Tsiazotafo ampitan’ny tranomabrotra Venic omaly tolakandro vokatry ny firodanan’ny trano iray an-dalam-pananganana.
Teo am-pangadiana fototra, izay lavaka be izay nisy efa hatrany amin’ny 6 metatra no nisian’ny firodanana tampoka, ka nahavoa ny olona 6, saingy avotra soa aman-tsara ny 2, izay naratra sy voatery naiditra hopitaly ny iray tamin’izy ireo. Tototry ny tany tanteraka tao kosa ireo olona 4, izay sarotra ny nitady azy. Voasikotra vetivety kosa ilay iray naratra, izay efa any amin’ny hopitaly. Ny mpamonjy voina mihitsy no nitady sy nisikotra ireo tototra, ka ny 2 no hita voalohany, niampy iray, ka hatramin’ny omaly hariva no nikarohana ny iray hafa, izay tsy mbola hita tamin’ny fotoana nanoratana. Somary tratry ny rano ilay toerana, ka izay no mety nampalemy azy sy nahatonga ny firodanana, raha ny fanazavan’ireo mpiasa teny an-toerana. Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana teny an-toerana, indrindra fa ho an’ny fiara saika hihazo an’i Soarano sy ny manodidina moa ity loza niseho ity. Mikasika io trano io, raha ny fikaroham-baovao tsotsotra, trano efa tranainy no teo ary novidian’ny sinoa, ka narodana ary izy saika havaozina iny no izao nitera-doza izao. Re anefa fa tsy milamina loatra ny momba io trano io satria mbola misy adiady mikasika azy. Andrasana ny fanadihadiana lalina manoloana ity loza mahatsiravina namoizana ain’olona efatra ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.