Actualités

Loton’ny tanŕna Ireo mpivarotra amoron-dalana no fositra


  • Talata 28 Desambra 2010


Ny fako mivangongo eran’ny lalana no misarika ny maso eto an-drenivohitra taorian’ny fety. Tombanana ho 300 taonina isan’andro izy ireny amin’ny andro tsotra andavanandro. Niakatra ho 500 taonina isan’andro eo ny fako taloha kelin’ny fety. 950 taonina be izao kosa izany ny 24 sy 25 desambra lasa teo. Ny fako avelan’ireo mpivarotra amoron-dalana aorian’ny angoronan’izy ireo entana mamonjy fodiana avokoa ny akamaroan’ireo. Araka ny fantatra anefa dia olona miisa 1 000 isaky ny adin’ny roa no tokony hampiasaina raha tiana hadio ny tanàna, 450 isan’andro anefa ny mpiasan’ny SAMVA nisahana ny fanadiovana sy ny fanalana fako teto an-drenivohitra. Karamaina 4.000 ariary isan’olona isan’andro izy ireo. Mbola lavitrezaka ny raharaha araka izany, ka dia miankina amin’ny fahatsiarovantenan’ny tsirairay io, raha tsy tiana hihanaka eto ny valanaretina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT