Zaza roa no hita faty tao amin’ny Fokontany Antsiratsira Toliara izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana dia tsy teo amin’ny vatan’ireto ankizy ireto intsony ny voamasony roa sy ny filahiany. Tamin’ny tati-baovao no nahafantarana fa vokatry ny lonilony nikotrika tamina fianakaviana roa hatry ny ela no fototra nahatonga izao vono olona nahatsiravina izao. Ny faran’ny herinandro teo no niakatra fitsarana ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.