Actualités

Lodsia naverin’ny Eorôpeanina Fantiantoka iray lavaka ny an’ireo mpandraharaha


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

«Tsy mahagaga ahy raha naverin’ny mpividy azy tany Eorôpa ny lodsia malagasy noho ny haratsiny sy ny tsy fanarahana ny kalitaony. Efa nampoizina izany noho ny zava-nisy tamin’ny taom-piotazana ny taona lasa. Ireo manam-bola sy be sandry ary ireo to teny amin’ny FAT mantsy no mpibaiko, ka izao no vokany».

Izay no nambaran’ity mpandraharaha iray nilaza ny tsy hitononona ny anarany, raha nilaza ilay fiveren’ny lodsia Malagasy milanja 5.250 taonina saika nalefa tany Alemana tamin’ny alalan’ny vondrona «Rungis» Frantsay. Raha ny vaovao nangonina, sy araka ny nambaran’ity mpandraharaha iray ity, dia mifanilika amin’ny andraikitra nahatonga ny fiveren’ireo lodsia ireo ny «Rungis», mpamongady mpanafatra, sy ireo tompon’ny lodsia mpanondrana amin’izao fotoana izao. Raha tombanana mantsy dia manodidina ny 10 tapitrisa Euros (2,00 euros isaky ny 1kg) ny fatiantoka tamin’izao fiveren’ny lodsia malagasy izao, izay manodidina ny 26.000 tapitrisa ariary (1euro = 2.600 ariary).

Ho an’ny mpanondrana Malagasy dia ny Vondrona Rungis no tompomarika, satria ny sambo «Visby Stockholm : 6.621 taonina» niainga tao Toamasina ny 30 novambra 2010 ary tonga tao Frantsa ny 17 desambra 2010, ny faharoa «Visby Hansa : 5.980 taonina» niala Toamasina ny 03 desambra 2010 ary tonga tao Frantsa 21 desambra 2010. Ho an’ny Vondrona Rungis kosa dia ratsy kalitao sy fikarakarana ny lodsia Malagasy. Nanampy trotraka ny olana ny toetr’andro tany Eorôpa nateraky ny ranomandry. Tsy sambany ihany koa ny toy izao ; ny taona 2008 sy ny 2009 ihany koa efa nisy lodsia 5.000 taonina naverin’ny Eoropeana. Raha hiverenana dia ny tamin’iny taom-piotazana 2010 iny no tsy nisiana didim-pitondram-paritra mamaritra ny daty fisokafan’ny taom-piotazana hatramin’izay nisiany fanondranana lodsia, fa ireo mpandraharaha manam-bola sy manakaiky ny FAT no nibaiko.

Iny taom-pihotazana lodsia ny taona 2010 iny ihany koa no tsy nanaraka ny fepetra sy fanaraha-maso nataon’ny CTHT izay iraky ny Vondrona Eorôpeana eto amintsika, raha aorian’ny 30 novambra 2010 ny vinavinan’ny CTHT noho ny tsy fahampian’ny orana, ny 27 novambra 2010 no notapahan’ireo mpanondrana tao anatin’ny lodsia mbola tsy masaka tsara. «Raha izao no mitohy, dia tsy afaka hanondrana lodsia any Eorôpa intsony ny Malagasy, na hahazo fifanarahana aza mety ho an-tsasaky ny 17.500 taonina teo iny no sisa azon’ny Malagasy haondrana amin’ity taona 2011 ity», hoy hatrany ity mpandraharaha namarana ny teniny.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

Hijery ny tohiny
FTT