Vonona ny hanohana hatrany ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika ny fikambanana Lions Club International District 403 B 2,
tarihin’ny filohany Rakotozafy Fidy mivady. Mbola nohamafisin’ny filohan’ny fikambanana io omaly na dia efa teo foana aza izy ireo nandritra ny 100 taona nanaovany asa soa manerana izao tontolo izao. Nosinganiny manokana ny fizarana kits scolaires, ny fananganana sekoly vaovao, ny fanatsarana ireo karazana fotodrafitrasam-pampianarana efa misy… hahafahana manohana sy manome tanana ny zaza Malagasy. Nampahafantarin’izy ireo tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena etsy Anosy ny tetikasany, izay samy tafiditra tanteraka ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fikambanana amin’ny taona 2017 toy ny ady amin’ny fahajambana ateraky ny areti-maso, ny fanampiana ny tanora, ny ady amin’ny hanoanana ary ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tetikasa fohy ezaka hotanterahin’izy ireo tsy ho ela ny fananganana tranom-boky 20 na 30 isa manerana ny Nosy. Ankoatra an’Antananarivo izay hanaovan’izy ireo asa soa matetika dia tafiditra ihany koa ny distrikan’i Maroantsetra sy Mananjary. Ankoatra izay, boky manodidina ny 30.000 isa no ezahina haparitaka, misy ny karazam-boky rehetra ilain’ny mpianatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.