Nalefa notsaboina atsy amin'ny nosy La Réunion ny sabotsy lasa teo ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina, rehefa avy nodidiana tetsy amin'ny HJRA ka nanapahana ny tsinainy.
Raha ny re omaly dia nandalo fandidianany tenany, fanindroany io. Noteren'ny miaramila ny prezidansa. Nandray fepetra tokoa ireo kolonely andiany iray mihira tamin'ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina. Nihazakazaka ny toe-draharaha taorian'ny famangian'izy ireo ity manmboninahitra ity teny amin'ny hopitaly HJRA ny alakamisy hariva. Nilaza mantsy izy ireo fa tsy hanaiky mihitsy raha tsy mandray fepetra haingana ny mpitondra. Nahakivy azy ireo ny nahita ny toe-pahasalaman'ny kolonely Charles. Niainga ny tsindry isan-karazany na teo anivon'ny Etamazaoro jeneralin'ny tafika na teo anvion'ny ministeran'ny Foloalindahy, ary tonga hatrany amin'ny filohan'ny Fahefana avon'ny tetezamita izany. Nikoropaka ny Sekretera jeneralin'ity farany ka poa toy izay dia nivoaka ny fanekena ny handefasana hitsaboana ity kolonely ity any La Réunion.
Ny sabotsy alina tokony tamin'ny 9 ora alina no niala teny Ivato ny fiaramanidina manokana nitondra azy. Ankoatra ny rahalahiny iray sy ireo dokotera avy ao amin'ny Hjra dia nisy mpitsabo teratany vahiny ihany koa nalefa nanara-maso akaiky ny toe-pahasalamany. Raha tsorina dia nikoropaka tanteraka ny FAT tamin'ity nahazo ny kolonely Charles ity. Mety ho fialana an-draikitra ihany koa anefa satria raha sanatria misy ny fitsimbadihan'ny toe-pahasalamany dia mora amin'izy ireo ny milaza fa efa niala nenina izy ireo. Raha ny filazan'ny fianakaviany aloha dia efa mba niha tsara kely ny fahasalamany raha oharina ny tamin'izy niditra hopitaly, herinandro lasa izay. Maro ny resaka mandeha ny amin'ny antony nankarary ity manamboninahitra nigadra noho ny raharaha BANI ity, satria hafahafa ihany ny toe-batany sy ny endriny rehefa tena narary izy. Araka ny fitantaran'ny havany dia nibontsina ny kibony, efa nivoaka karazana rora fotsy koa ny vavany, ary nisy ny fotoana efa tsy nahatsiaro tena sy nidelira izy. Ny olona sasany avy ao amin'ny ankolafy Zafy sy Atoa Ralitera dia nahitsy fitenenana mihitsy ary nilaza fa poizina no nitarika ny aretin'ny lietna-kolonely Charles. Raha tsorina ny resaka dia nisy nanapoizina tao amin'ny fonjan'i Tsiafahy izy. Maro ny fomba azo hanaovana izany, tahaka ny sakafo hanina isan'andro sy ny rano fisotro, na alefa tsimoramora amin'ny alalan'ny etona (gaz) na koa atsindrona tsotra izao.
Tsy misy mahalala kosa anefa hatreto ny nanapoizina azy ny antony nanaovana izany. Ny hany tadidin'ny rehetra, ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina no anisan’ny mpandray anjara mavitrika tamin'ny fametrahana an'i Andry Rajoelina teo amin'ny fitondrana ary niara-niasa akaiky taminy. Mahalala zavatra maro. Nony nandeha teny anefa ny andro sy ny volana dia toa nanomboka niha nangatsiaka ny fifandraisana teo amin'ny roa tonta. Nesorina tsy ho mpiara-mitarika ny FIS mihitsy moa izy, nanomboka tsy tafiditra teny an-dapa ary ny niafarany dia izy niaraka tamin'ireo manamboninahitra maromaro ka nilaza ny lalan-diso nitondran'ny FAT ny firenena ary saika haka fahefana avy eny amin'ny BANI Ivato. Tsy tanteraka anefa izany ary ny fonjan'i Tsiafahy no niandry azy ireo.
Taorian'izay dia nilaza ny hanao ampamoaka ny lietna-kolonely Charles. Nanoratra taratasy nisy pejy maromaro mirakitra ny zava-miafin'ny tolona nataon'i Andry Rajoelina tamin'ny 2008 – 2009 izy. Fanonganam-panjakana no natao, hoy izy. Voalaza ao anatin'io taratasy ampamoaka io ihany koa fa olona akaiky ny filohan'ny tetezamita no ao ambadiky ny raharaha boaderozy sy ny fandrobana ny entan'ny Tiko tany Toamasina. Ny minisitry ny fitsarana moa dia nilaza fa tahaka ny tsy salama saina tsara intsony ity manamboninahitra ity ka mety miteniteny foana sy mamorona. Nisy kosa anefa ireo nilaza fa marina sy mitombina amin'ny ampahany betsaka ny ampamoaka nataon'ny lietna-kolonely Charles ary tena novidiany lafo ny nahasahiany nilaza izany, dia izao izy marary mafy izao. Antenaina moa fa hisy ny fanadihadiana hatao momba ity raharaha ity mba hisindan'ny ahiahy tsy hihavanana, satria raha tena misy tokoa izany fanapoizinana ny voafonja izany dia tena ho zava-doza ho an'ny firenena satria homelohin'izao tontolo izao fa tena manitsakitsaka ny zon'olombelona isika ary ho voampanga fa mpanagadra sy mpamono an-tsokosoko sy amin'ny fomba an-kolaka ireo olona manelingelina azy ny fitondrana.
RTT sy Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.