Sahy ny gasy amin’izao ary mihapotika tsikelikely ny soatoavina Malagasy mampiavaka antsika amin’ny Afrikanina. Afak’omaly alina, raim-pianakaviana iray mbola tanora monina etsy Ampasika
no nivoraka tsinay notsindromim-badiny ny antsy. Resaka hasarotam-piaro no fototry ny olana. Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava intsony ny fifanazavana teo, fa niafara tamin’ny ra mandriaka. Raha ny angom-baovao dia tratran-dramatoa izay avy naka ny zanany lahy tokana avy nianatra rangahy vadiny, hitany nampiaraka tamina tovovavy teny Manarintsoa Isotry. Tsy nisy ny alaharo fa rehefa tonga tao an-trano ity raim-pianakaviana ity tokony ho tany amin’ny valo ora alina tany ho any, dia rafitra ny ady. Tsy nahatsindry fo ramatoa ka naka antsy avy nanetehany anana nanindronana an-drangahy.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.