Actualités

Lehilahy mahery setra Tsy mety fay na efa tapitra noteteziny aza ny fonja


  • Alatsinainy 02 Jona 2014

Habibiana no nitranga tamin’ity raim-pianakaviana iray monina ao Morarano Analamahitsy ny fiandohan’ny herinandro lasa teo.

 Raha tonga nanatona toeram-pivarotana enta-madinika iray mantsy izy mba hitrosa vary roa kapoaka noho ny tsy fisiany dia kapa antsy avy hatrany no navalin’ilay mpivarotra azy. Sendra voafaokan’ny tanan’akanjon’ilay raim-pianakaviana mantsy ilay fotsim-bary ka teo no nampiakatra ilay rangahy mpivarotra. Vokany, nokapakapan’io mpivarotra io tamin’ny antsy ny tananan’ilay saika hitrosa. Tsy vitan’izay fa mbola navariny tany anaty tatatra ihany koa rehefa avy nofirainy ka saika nanaraka mbamin’ny ainy. Olona sendra nandalo no nanavotra azy ka nitondra azy teny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Fantatra tamin’izany ary fa raim-pianakaviana efa nitety fonja maro, Nosilava, Tsiafahy…io mpivarotra mahery setra io. Betsaka ireo olona efa nametraka fitarainana taminy noho io vono olona ataony io saingy tamin’ity indray mitoraka ity no tsy nahafahany niala. Ny faran’ny herinandro teo no natolotra ny fampanoavana ny lehilahy ary nalefa avy hatrany any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT