Vela-kevitra miavaka omaly no notontosaina tetsy amin ny Faculté de Théologie Ambatonakanga.
Mpianatra mpikaroka telo mianadahy avy amin’ny sampana sôsilôjia eny Ankatso no nanolotra izany nahitana an’i Andriamasinoro Andrianina Sandrah, Rajaonarivelo Dinamalala Romina, Rabenomenjanahary Hery Mihamintsoa. Ny tanànan’i Lazaina sy ny kolontsainy eo anivon’ny fiarahamonina no votoatin-dresaka. Nambaran’izy ireo fa tsy azo kosehina ny mampiavaka an’i Lazaina toy ny Kobanondry, ny momba an-dRanivo Maritiora, fa ny tena zava-dehibe dia ny fihavanana sy ny fifankatiavana eo amin ny taranaka izay fanohitra mampandroso. Noho izany dia tsy azo ekena ny fampisaraham-bazana sy ny fampiadiana ataon’ny olom-bitsy.
Izany indrindra no antony nisian’ny fikambanana FITELA na Fivondronan’ny Terak’i Lazaina araka ny fanazavan’ny filohany Rakotonirina Charles sady nanentana rahateo. Noho ny vaninandro mifanesy dia mety misy ny mandiso ny tantara. Ny fanadihadiana nataon’ireto mpianatra ireto dia haparitaka ho an’ny taranaka. Nohamafisina fa ny fisian’ny fanadihadiana toy izao dia efa mampihetsika ny hambom-pon’ny terak’i Lazaina ka hiroso koa eo amin ny fampandrosoana ifotony ny eny Lazaina. Andry lehibe amin ny fampandrosoana an’i Lazaina ny Zanaka am-pielezana ka tsy azo hamaivanina ka izay indrindra no tokony hifanentanana amin’ny fanatevenan-daharana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.