Actualités

Lavanila Mety tsara ao Toamasina


  • Zoma 25 Aprily 2014


 «Mety tsara ao Toamasina ny vokatra lavanila», hoy Ramatoa Razafinjato Evelyne, mpikambana ao amin’ny biraon’ny “plateforme nationale et régionale Atsinanana” momba ny lalam-pihariana lavanila, raha nanatontosa fivoriana nananganana ny komity mpanaramaso ity lalam-pihariana ity na “Comité Observatoire de la Vanille” tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana izy. Fepetra noraisina mba hifanaraka indrindra amin’ny didim-pitondra iraisan’ny minisitera 35-255/2013 izay mifehy ny tsena eto amintsika. Koa noho izany indrindra dia napetraka fa tsy azo atao ny fandraharahana lavanila raha tsy manaraka ny «marché contrôlé». Fantatra tamin’izay koa fa tsy maintsy ny didim-pitondram-paritra ihany no mametra ny daty fisokafan’ny fotoam-piotazana lavanila. Ary ny asa rehetra manodidina ny lavanila mazava ho azy dia tsy maintsy manaraka ny fandraiketana sy ny fepetra samihafa apetraky ny tompon’andraikitra, eny fa na dia ireo mpivarotra maninjara ny lavanila eny an-tsena aza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT