Actualités

Lapan’ny Fitsarana Anosy Jeneraly telo sy kolonely iray hampifanahatrehana


  • Alarobia 05 Janoary 2011

Nandrasana hatramin’ny faran’ny taona ny fampifanatrehana ny kolonely Charles sy ny Cemgam, ny Jeneraly André Ndrianarijaona.

Raikitra ihany izany ka anio no hotontosaina, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsarana. Ho avy ao koa ny jeneraly isany Raoelina sy Rakotonandrasana Noël. Raha tsiahivina dia mahakasika indrindra ny raharaha BANI no anton’ity fampifanatrehana ity. Isan’ny nandray anjara tamin’ny fifampiraharahana mantsy ny Cemgam ka tsy maintsy hohenoina momba ity raharaha ity. Tsiahivina ihany koa fa nikasa hanao fanambarana ny lietnà-kolonely Charles nandritry ny fitondràna azy teny amin’ny fampanoavana, saingy tsy navelan’ny mpitandro ny filaminana izy hanao izany. Na izany aza anefa dia voampitany tamin’ireo olona akaiky azy ihany izany. Mahakasika ny fanonganam-panjakana no noresahiny. Nanaiky tokoa izy fa tena tompon’antoka tamin’ny fanonganana ny fitondrana teo aloha. Nanaiky ihany koa izy fa tena fanonganam-panjakana tokoa no notontosainy. Andrasana izay fivoaran’ny raharaha anio… 

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT