Actualités

Lany vola ny PAM Ankizy 33.000 no ahiana tsy hianatra intsony


  • Alarobia 28 Mey 2014

Fandaharanasa manohana ara-tsakafo ireo ankizy mpianatra taizana amin’ireny ivontoerana fitaizana zaza kamboty sy fandraisana an-tanana ankizy sahirana ireny ny PAM.

 Sakafo antoandro ahitana vary, voamaina sy fangarona menaka, katsaka ary soja no iantohany ho an’ny zaza 33.000 avy eto  Antananarivo, Toamasina, Toliara ary amin’ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy. Madiva ho lany anefa ny enti-manana eo am-pelatanany ankehitriny noho ny fihenan’ny vola avy amin’ny mpanohana azy. Ahiana, araka izany, ny fitohizan’ny fianaran’ireo ankizy ireo izay mety tsy hahavita hatramin’ny farany ity taom-pianarana ity. Mbola baraingo koa ny taona manaraka. Araka ny tatitra nataon’ny PAM dia mila lelavola 4,3 miliara Ariary hividianana sakafo  2 400 izy mba ahafahany miantoka ny sakafo antoandron’ireo ankizy ireo any am-pianarana. Miantoka ny fahafahany manohy ny fianarany koa izany. Mitsoaka an-daharana na tsy maharaka na matory ao an-dakilasy fotsiny ireo ankizy tsy ampy sakafo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT