Notontosaina omaly tao amin’ny foiben-toeran’ny gazety Tia Tanindrazana ao Soanierana ny fanolorana ny lokan’ireo enina mianadahy tsara vintana tamin’ny fisarihana voalohany amin’ny lalao tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny gazety. Mariky ny fifampitokisana misy eo amin’ny gazety Tia Tanindrazana sy mpamaky izao, hoy ny tonian-dahatsoratra Andriamahenina Rolland ary mampifanakaiky kokoa hatrany ny roa tonta. Nirary soa ny gazety Tia Tanindrazana ho amin’ny dimy taona manaraka Atoa Andriamparany Jean Claude, nibata ny “notebook” loka voalohany, nisolotena ireo mpahazo loka sady nampirisika ny hafa handray anjara amin’ny lalao ihany koa. Amin’ny 31 mey 2014 indray ny fisarihana manaraka ary loka maro no hozaraina amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.