Actualités

Lalao baolina kitra teny Talatavolonondry Nahatontosa ny fanambiny ny Tanora TIM


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Notanterahina ny alahady 22 jolay 2018 lasa teo ny lalao famaranana taranja baolina kitra, nokarakarain'ny Tanora Tiako i Madagasikara (Jeune TIM) ao Talatavolonondry.

Noferana 20 ireo mpandray anjara izay nahitana fokontany maromaro. Ny ekipan'Avaratsena tamin'ny alalan'ny FC Tambatra sy ny ZAMITA Talatavolonondry no niady ny omby nandritra ny famaranana. Resin'ny Fc Tambatra 2-1 ny ZAMITA tany amin'ny fanalavam-potoana, raha nisaraka ady sahala 1-1 tamin’ny fotoana ara-dalàna. Marihina fa noho ny fiaraha-miasan'ny mpikarakara tarihin-dRakotondrazaka Toky tamin'ny kaominina tarihin'ny Ben’ny tanàna sy ny Depiote Gerry voafidy tamin'ny antoko TIM teny Avaradrano ary fanampiana manokana avy amin'ny mpikarakara no nahazoana nanome ny loka ho an’ireo nahazo hatramin'ny laharana faha-3 sy faha-4 dia ny ETOILE FC sy ny FCM Ambolo. Niady tokoa ny famaranana ary tamim-pirahalahiana, ka nilamina tanteraka, indrindra ireo mpijery ka na nisy ary ny hafanam-po dia hita fa efa mahay mijery tokoa. Vonona hatrany ny mpikarakara amin'izay mety mbola azony atao, indrindra amin'ny fanampiana ny tanora, araka ny tafa nifanaovana taminy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT