Lalana anisan’ireo nampikaikaika ny mpitatitra manao zotra rezionaly ny lalana mampitohy ny Distrikan’Ambatondrazaka amin’ny Distrikan’Amparafaravola, indrindra eo akaikin’ny tetezana ao Maharidaza.
Vitan’ny fikambanan’ny mpandraharaha ankehitriny izany lalana izany ary efa azo ampiasaina nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mitentina 200.000 Ariary ny vola lany tamin’ny fanatsarana io lalana io. Tsy misolo ny asan’ny minisitera ny asa vaventy izahay, hoy ny filohan’ny GROPECAM Rabenony Andrianirina dit DAY, fa miezaka mamaha ny olana araka izay vitan’ny eo am-pelatanana. Vonjimaika ny zavatra nataonay kanefa mampihena ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka sy ny mpitatitra, hoy izy.
Rehefa misy ny finiavana sy ny firaisankina, hoy izy dia mandeha ho azy ny fampandrosoana. Araka ny heviny dia tokony hisy hatrany ny fandraisana andraikitra vonjimaika mandrapiandry ny avy eny amin’ny fitondrana foibe. Ampahan-dalana roa no tena nampijaly ny mpitatitra tao amin’ny RN3A dia io vao vita tao Maharidaza io sy ny any akaikin’ny Kaominina Ampasikely. Fantatra fa mitohy hatrany ny fijeren’ny GROPECAM ireo zavatra manahirana ny mponina any Alaotra Mangoro, ka miezaka mitondra vahaolana izy ireo sy manao tatitra any amin’ny ambaratonga ny rafi-panjakana. Mila mandray andraikitra ny ety ifotony dia manampy ny fitondrana foibe aty aoriana, hoy ireo vondron’ny mpandraharaha any Antsihanaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.