Mahery izay mahasahy mandainga fa tsy dika mitovy amin’ny lalàm-panorenana frantsay ny lalàm-panorenana hampiharina sy havaozina matetitetika eto Madagasikara eto amin’izao fotoana izao.
Ny mpahay lalàna iraisampirenena, Raymond Ranjeva mihitsy no vao nanamafy ny faran’ny herinandro teo fa nolovaina tamin-dry zareo Romano-germanika ny lalàna malagasy. Izany hoe raha vantanina dia ry zareo Ntaolo Frantsay. Tokony hatao hahagaga ve, noho izany, raha ho sarotra amin’ny malagasy, na ny eny ifotony io na ny eny an-tendrony, ny hankato tsy hisy tomika ny lalàna misy eto ? 50 taona mahery izao no nahatsikaretana fa tsy nisy nety niteha-tany mihitsy na koa hoe tsy nety tamin’ny odidim-piainantsika ny lalàna novolavolaina sy nampiharina teto. Manginy fotsiny ny hoe tsy vitan’ny efa amin’ny teny vahiny ny raki-tsoran’izy ireny fa mbola voambolana tekinika saro-takarina ihany koa no hampiasaina. Aiza ho aiza ny anjara birikin’ireo manam-pahaizana ao anatin’izany rehetra izany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.