Tsy nisy telo volana akory dia efa manomboka simba sahady ilay lalana manivaka manakaiky ny lalamby Ankadimbahoaka izay namboarin’ny orinasa Colas ary niteraka savorovoro noho ny fandravana trano.Tanjona tamin’azy io ny hanalefahana ny fitohanan’ny fiara sy hampirindra kokoa ny fifamoivoizana ; anisan’ny tonga nijery ny firosoan’ny asa teny an-toerana mihitsy moa ny filo
ham-pirenena .Ankehitriny anefa dia efa manomboka simba ilay lalana ary raha tsy misy ny fikarakarana haingana dia ho hita eny tsy ho ela ny lavaka be dibo-drano tahaka ny hita amin’ny arabe maro eto an-drenivohitra.Mipetraka ary eto ny fanontaniana manao hoe :namaha olana marina ve ity lalana eny Ankadimbahoaka ity ? Tandrevaka ve no nanaovana ny asa no mora simba ilay arabe sa dia efa izay tia manao zavatra tsy matotra, kimaimaika mba hisehosehoana izay mihitsy no tena fomba fiasan’ity fitondram-panjakana ity ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.