Fiara Peugeot 405 avy any Talatamaty no nitsoraka tany an-tanimbary teny amin’ny lalana digy omaly. Raha ny angom-baovao
dia mbola tao anaty fitohanan’ny fiara ny teny amin’iny lalana iny no niseho ny loza. Hatreto anefa dia tsy fantatra marina ny tena zava niseho fa nikisaka ho azy ny vodin’ity fiara ity ka avy hatrany dia nodomina Sprinter avy ato aoriana ka nipitika tany an-tanimbary. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny fiara no simba anisan’izany ny motera. Naratra ny mpamily fa tsy dia atahorana.
Nangonin’i Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.