Actualités

Lalan’i Faratsiho Miverina indray ny fanakanan-dalana


  • Alakamisy 19 Febroary 2015

Miverina indray ny sakan-dalana ataon’ny jiolahy amin’ny lalam-pirenena faha 43 mampitohy an’Ambohibary Sambaina amin’i Faratsiho. Ratsy dia ratsy ity lalana ity amin’izao fotoana ary atahorana ho tapaka mihitsy ka manararaotra ny jiolahy. Toerana 3 no hita fa tena ratsy saingy tsy eo no misakana ireo jiolahy fa eo amin’ny toerana antsoina hoe:

 

 Antetezamby. Somary mangina no sady tsy azon’ny fifandraisana amin’ny finday ity toerana ity ka izay no olana raha ny nambaran’ny mponina. Raha ny hatramin’ny tapatapaky ny volana Febroary lasa teo dia nisy tranga telo no niseho ka saika ireny fiara-be mpitatira voakatra ireny avokoa no lasibatra amin’izany. Raha ilay fiarabe voatafika farany teo moa dia vidim-bary an-taonina maro avy any amin’ny kaominina Faravohitra no lasibatra raha ny angom-baovao. Miovaova moa ireo jiolahy mpanafika satria 5 ka hatramin’ny 8 eo ho eo no isan’izy ireo amin’izany raha ny nambaran’ny mponina ihany. Antso avo, araka izany, no ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny tsy tokony handehanan’ny fiara amin’ny alina amin’iny lalam-pirenena faha 43 iny satria misy hatrany ireo mpanakan-dalana ireo amin’izao fotoana izay voalaza fa mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo.

Caïus R

 

Lalan’i Faratsiho
Miverina indray ny fanakanan-dalana

Miverina indray ny sakan-dalana ataon’ny jiolahy amin’ny lalam-pirenena faha 43 mampitohy an’Ambohibary Sambaina amin’i Faratsiho. Ratsy dia ratsy ity lalana ity amin’izao fotoana ary atahorana ho tapaka mihitsy ka manararaotra ny jiolahy. Toerana 3 no hita fa tena ratsy saingy tsy eo no misakana ireo jiolahy fa eo amin’ny toerana antsoina hoe: Antetezamby. Somary mangina no sady tsy azon’ny fifandraisana amin’ny finday ity toerana ity ka izay no olana raha ny nambaran’ny mponina. Raha ny hatramin’ny tapatapaky ny volana Febroary lasa teo dia nisy tranga telo no niseho ka saika ireny fiara-be mpitatira voakatra ireny avokoa no lasibatra amin’izany. Raha ilay fiarabe voatafika farany teo moa dia vidim-bary an-taonina maro avy any amin’ny kaominina Faravohitra no lasibatra raha ny angom-baovao. Miovaova moa ireo jiolahy mpanafika satria 5 ka hatramin’ny 8 eo ho eo no isan’izy ireo amin’izany raha ny nambaran’ny mponina ihany. Antso avo, araka izany, no ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny tsy tokony handehanan’ny fiara amin’ny alina amin’iny lalam-pirenena faha 43 iny satria misy hatrany ireo mpanakan-dalana ireo amin’izao fotoana izay voalaza fa mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo.

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT