Fiara minibus iray no narahin’ity fiara 4x4 raitra ity avy eo Vinaninkarena, atsimon’Antsirabe nipaka hatrany Fatihita. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina ny andro tamin’io, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 20 desambra. Tsy taxi-brousse anefa izy ity fa fiara nitondra olona avy nanao fitsidihana fifanakalozana traikefa tany Alaotra tany. Raha ny fahitan’izy ireo azy dia nisy fiara nokendren’ireo jiolahy tao anatin’ilay 4x4, fa tsy io narahiny io. Nieren-doza, araka izany, ny mpandeha tamin’io fiara minibus io. Araka ny fantatra mantsy dia nivezivezy teo anelanelan’Ambositra ilay fiara 4x4. Nisy fotoana hitan’ny olona nijanona tao Ilaka Centre izy io. Efa nahazo fampandrenesana amin’ny fisian’io zavatra mampiahiahy io ny mpitandro ny filaminana tao Ambositra, ka tsy namela ireo fiara avy any atsimo hianavatra handeha alina. Ireo avy any avaratra izany no nisedra ny sivana tao. Miverina indray ary masiaka ny mpanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena amin’izao faramparan’ny taona izao. Ny lalam-pirenena faha-7, faha-44, faha-35 sy 34 ary ny lalam-pirenena faha-2 no matetika itrangan’izy io. Efa nisy ny tratra, fa misy hatrany koa ny mipoitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.