Actualités

Lalam-pirenena faha-2 Nieren-doza ireo GSIS nanondrana tany Toamasina


  • Zoma 13 Febroary 2015

Vao hiala, tsy tafavoaka ny tanànan’i Toamasina akory, dia tra-doza ny fiara “minibus fourgon” nitondrana ireo zandarin’ny GSIS telo miampy zandary lietna iray ary sivily iray voarohirohy tamin’ny raharaha fanafihana mpandraharaha jirofo niaraka tamina volabe 1,3 miliara ny herinandro lasa iny

. Vokatry ny fandehanana mafy dia nidona tamina fiarabe ilay fiara vao niala kely an’Ampasimazava avy eo nivoaka ny lalana. Tsy nisy aina nafoy fa polisy iray avy amin’ny vondrona SAG (Service Anti Gang) anisan’ireo niantoka ny fiarovana mandritra ny fitaterana ireo voarohirohy ireo aty Antananarivo no volaza fa naratra. Tonga teto an-drenivohitra omaly tolakandro ihany moa ilay fiara nitondra azy ireo.

 

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT