Manahy ny maro fa mety ho tonga alohan’ny fotoana ny maitso ahitra amin’ity taona ity. Nisy ny resadresaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin-dRakotovao Andry, mpandraharaha ara-bary sady filohan’ny vovonana mandinika sy mandrindra ny lalam-pihariana vary. Mpitantana ny CMS Anosy boribory koa izy.
Tia Tanindrazana (TT) : Manao ahoana ny tontolon’ny vary amin’izao fotoana ?
Rakotovao Andry (RA) : Manakaiky ny fararano satria efa hita taratra ny fiakaran’ny vary aloha. Raha hiresaka ny vidim-bary isika dia tokony ho faratampony ny vidiny satria efa madiva hifarana ny fahavaratra. Tokony ho tsara ny vidim-bary ho an’ireo manana tahiry. Tena mifanohitra amin’izay anefa ny zava-misy ankehitriny. Ambany ny vidim-bary hafarana avy any ivelany noho ny fahatongavan’ireo mpivaro-bary mpijirika avy any Pakistan sy Inde izay mitondra 3, 5,10 Kaontenera. Manafika ny tsena ry zareo ireo amin’ny vidiny tsy sahaza sy tsy mifanentana satria latsaky ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no amarotana ny variny eto amintsika. Ny fanontaniana dia hoe ahoana ary no ahafahany mivarotra ny vary mora ? Tsy manana rafitra mazava mihitsy ireo mpijirika ireo izay sady mpanafatra no mpivarotra nefa tsy manana tranombarotra sy birao fiasana akory. Izy ireo ihany no manao ireo sokajin’asa rehetra momba ity sehatra ity ka tsy manana vesatra mihitsy izy, izany hoe tsy manana fatiantoka. Raha fintinina izany dia ambany ny vidim-bary izao, indrindra moa fa tsy tataovan-ketra ny vary vahiny miditra eto “détaxé”. Tena zava-doza anefa izany satria rehefa ambany ny vidiny dia misy fiantraikany amin’ny fifaninanana anatiny. Mitarika fahakiviana ho an’ny tantsaha mpamokatra koa io toe-draharaha io. Etsy an-daniny dia tena mampanahy ny fahamainan’ny tany any amin’ireo faritra tena mpamokatra toa an’Ambatondrazaka, Marovoay ary Sofia. Rehefa tsy misy ny orana dia ahiana ny hihenan’ny voka-bary amin’ity taona ity. Dia ho tratran’ny vela-pandrik’ireo mpijirika ireo foana isika.
TT : Misy lalàna mifehy ny asa fanafarana sy fivarotana ambongadiny mbamin’ny antsinjarany. Nahoana anefa no afaka miasa malalaka tahaka izany ireo vahiny mpijirika ireo ?
RA : Misy ny vovonana mandinika sy mandrindra ny lalam-pihariana vary ka tsy misy afa manafatra na manondrana vary raha tsy ao anatin’io vovonana io. Ankehitriny anefa dia foana ny tetibola iasany ka tsy afa-miasa intsony izy. Tsy voasivana intsony hoe iza no afaka manao ilay asa fanafarana vary satria manao io asa avokoa izao olon-drehetra izao. Lasa tsy mankamamy ilay lalam-pihariana intsony ny mpandraharaha matihanina.
TT : Inona no vahaolana arosonareo mpandraharaha matihanina sady ao anatin’ilay vovonana manoloana io zava-misy io ?
RA : Averina haingana ny hetra amin’ny fanafaram-bary ka ireo mpandraharaha efa zatra ihany sisa no mijanona manao ilay asa. Tsy maintsy ho kivy mantsy ireo mpijirika rehefa tataovan-ketra ny vary. Mamerina ny fahavitrihan’ny mpandraharaha io fepetra io sady mampidi-bola ho an’ny fanjakana ihany koa.
TT : Raha ny tatitry ny FAO tamin’ny 26 martsa teo dia ahiana no simban’ny andiam-balala ny 60%-n’ny vary eny an-tsaha. Mifanaraka amin’izay ve ny zava-misy marina ?
RA : Mitady hiakatra an-tanety tokoa ny andiam-balala any Alaotra ka tokony hatao haingana ny ady amin’io voina io satria raha izany no mitranga dia zava-doza no hovantanina amin’ity taona ity momba ny voka-bary.
TT : Tsy manana tetibola ny vovonana nefa afaka manome ny vary mbola ilaintsika ve ianareo ?
RA : Ankoatra ny fahamainan’ny andro any Alaotra dia manetsa ny any Maevatanana sy Marovoay izao ka miakatra be ny vidim-bary araka ny fitsirihana nataonay tany. Tokony hitandrina izany. Miasa amin’ny nahimponay izahay izao na dia tsy misy vola aza.
TT : Firy taonina izao ny vary nohafaranareo mpandraharaha ara-dalàna hatramin’izao ?
RA : Dimy alina taonin no nohafarana tamin’ny maitso ahitra teo nefa iray hetsy taonina no tokony ho izy. Be dia be anefa ny fanafarana tsy fantatray ataon’ireo mpijirika.
TT : Mpitantana ny CMS Anosy boribory koa ianao ?
RA : Niova fitantanana izy izao. Nisy goragora ihany ny fitantanana teo aloha fa rehefa noraisin’ny mpandraharaha ilay izy dia nohamafisiny ny famokarana masomboly. Nametraka petra-bola ny orinasa hampiodinana azy. Asa nataonay ny famerenana amin’ny laoniny an’i Sahabe izay vaky, ny fanadiovana ny lakandrano mirefy 4 km izay mandalo eo aminay. Mazava ho azy fa nahazo tombony amin’izany ireo rehetra any ambany any. Mampiakatra ny taham-pamokarana tao Anosy Boribory
TT : Velarantany manao ahoana no mahazo tombony amin’io asa nataonareo io ?
RA : 500 ha ny an’ny CMS Anosy Boribory fa mahatratra 6.800 ha kosa ny fitambaran’ny tanimbary rehetra .
TT : Voalaza fa hamidy ny CMS Anosy Boribory ary misy olona mitady hamarotra ny tany ?
RA : Mbola dosie iray manontolo vao tanteraka izany famarotana izany fa tsy mbola naheno izay resaka izay aloha aho hatreto.
TT : Teny hamaranana ny tafatafantsika ?
RA : Matahotra aho fa ho tonga aloha ny maitso ahitra amin’ity taom-pambolena ity satria maina ny tany ary manomboka tsy hisy ny vary atsy ho atsy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.