Actualités

Labatoara etsy Ankadindratombo Mitohy ny antsojay mahazo ireo mpandraharaha mpamongady


  • Zoma 27 Febroary 2015

Mbola misy ny disadisa eo amin’ireo mpandraharaha mpamongady miasa ao amin’ny labatora Ankadindratombo sy ny ben’ny tanànan’Alasora.

 

 Mitohy ny antsojay sy ny fanararaotam-pahefana, hoy ireo mpandraharaha satria namoaka didim-pitondrana mandrara ny fampidirana omby sy kisoa ao amin’ny labatoara indray izao ny kaominin’Alasora  izay voasonian’Ingahy ben’ny tanàna tamin’ny talata 24 febroary 2015 teo.  Karazana famandrihana an’ireo mpamongady mpanafatra omby mandeha amin’ny fiara izany raha ny marina satria izay omby hovonoina ihany no tokony hoentina ao amin’ny labatoara. Mety handany volabe ny mpanafatra ny fitaomana ireo omby ireo mandeha an-tongotra ao Ankadintratombo ary mety handratra olona ny fampidinana azy ireo ivelan’ny toerana efa voatokana amin’izany.

Fitoriana sy fijoroana vavolombelona any amin’ny Bianco

Etsy an-kilan’izay dia mihamitombo isa hatrany ankehitriny  ny taratasy fitoriana an’ity ben’ny tanàna ity any amin’ny Bianco. Anisan’ny nanao izany Atoa Rabetokotany Mario ilay mpanolotsain’ny tanàna vao afaka madiodio tamin’ny fitoriana azy farany teo ka nanipika anatin’ny fitoriany ny fisiana kolikoly maromaro hita ao amin’ity kaominina ity. Tahaka izany ny nandraisan’ingahy ben’ny tanàna vola 10 000 000 Ar ho takalon’ny fanomezana “permis de construire” ny orinasa Mabel Groupe SMTP ao amin’ny tany mirefy 5ha 66sa 48 eny Mahitsy ampitan’Ambohimanambola. Eo koa, hoy izy, ny fividianana fiara maro sy Bajaj ary nalefan’ity ben’ny tanàna ity hiasa any Tolagnaro. Efa nangatahana fanamarihana tany amin’ny Centre Immatriculateur Ambohidahy moa ny amin’ireo fiara sy Bajaj ireo. Fijoroana vavolombelona amin’ny fisiana kolikoly amin’ny fifanarahana amin’ity labatoara eny Ankadintratombo ity kosa no nalefan-dRtoa Vero any amin’ny Bianco mahakasika ny fandraisana vola 150 000 000 Ar tamin’ny Sinoa ka voalaza fa ny 30 000 000 Ar dia nividianana tany hanaovana Epp vaovao nefa lainga sy fampiesonana ny vahoaka izany. Tsy nisy vola naloa tamin’io tanin’ny Epp io fa eo amin’ny tany nohajariako 40 taona no nalaina an-keriny natao “prescription acquisitive” eo amin’ny parcelle 703 Ankadindratombo, hoy izy.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT