Actualités

Labatoara -Ankadindratombo Mpanolotsain’ny tanŕnan’Alasora 2 naiditra am-ponja


  • Alatsinainy 23 Febroary 2015

Mpanolotsain’ny tanŕnan’Alasora roa no naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ny zoma hariva teo fa nolazain’ny ben’ny tanŕnan’ity Kaominina ity fa namoaka antontan-taratasy an’io kaominina io tsy nifampierana.

 Resaka fifanarahana tamin’ny Sinoa Huang Zhiyuan izay fantatra fa nividy ny toeram-pamonoana omby na Tuerie etsy Ankadindratombo no tena fototry ny resaka. Tsy nankato ny fanaovana « Bail » miaraka amin’ity sinoa ity ny 4 amin’ireo mpanolotsain’ny tanàna 7 nanatrika ny fivoriana tsy ara-potoana  nataon’ny filankevitry ny kaominina Alasora tamin’ny 11 novambra 2014 raha tsy voaloan’io sinoa io avokoa ny vola nifanarahana fa haloany. Io no votoatin’ny  taratasy iray voalaza fa navoakan’ireto mpanolotsaina roa ireto sy taratasy iray hafa koa nilazalaza ny andinindinin’ny fifanarahana marina tamin’i  Huang Zhiyuan. Tsy rariny, hoy Atoa Jean Nirina filohan’ny Hafari Malagasy niresaka tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo teny Anosizato raha ao anatin’ny fanaovan’ny Bianco fanadihadiana mikasika ity resaka ity no misy olona am-pidirina am-ponja izany. Nolazainy  moa fa ireto taratasy izay voarainy ireto koa no porofo manaraka nambarany fa hatolony ny Bianco tsy ho ela amin’ny  fisiana kolikoly amin’ity resaka labatoara Ankadindratombo ity. Mangataka amin’ny fanjakana mahefa ihany koa izahay, hoy izy, ny mba hanoloana PDS an’ity meran’Alasora ity mba hizoran’ny fanadihadiana an-tsakany sy an-davany tsy hisiana tsindrintsindry etsy sy eroa. Raha ny vola voalaza anatin’ilay taratasy fifanarahana tamin’ny sinoa io, hoy Atoa Jean Nirina, mahagaga no tsy hanomezana tombondahiny an’ireo mpandraharaha mpamongady malagasy izay sahy ambonimbony kokoa noho izay voalaza ao.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT